"Mpiangon'ny IBC mahalala an'Atra, mitombo sy miaina araka ny tenin'Atra, ary mizara izany amin'ny hafa”
"Mpiangon'ny IBC mahalala an'Atra, mitombo sy miaina araka ny tenin'Atra, ary mizara izany amin'ny hafa”
Mahalala = Mahafantatra ny momba Azy + Tia Azy + Manana fifandraisana akaiky sy manokana Aminy.
Ny teny Latina hoe SOLA dia azo adika hoe "seul" , "seulement" na hoe "irery ihany". Ny "Sola Fide" izany dia midika hoe "Seulement par la foi".
Ny IBC dia mino sy mitory fa ny finoana irery ihany no fomba andraisana ny famonjena nataon'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazofijaliana, mba ahatonga ny olona iray ho voavonjy.
Tsy ny asa soa. Tsy ny fihezahana. Tsy ny ... )
Ny "Sola Scriptura" izany dia midika hoe "Seulement par l' écriture".
Ny IBC dia mino sy mitory fa ny Soratra Masina (Ny Baiboly), no fahefana ambony indrindra @ fitondra-tena sy finoana ho an'ny kristiana.
Tsy ny fomban'ilay fiangonana. Tsy ny tenin'i Pasitera na i Mompera. Tsy ny fahitàna na faminaniana azon'i Rakoto na i Rabe). Tsy ny ...)
Ny Sola Gracia izany dia midika hoe "Seulement par la Grace".
Ny IBC dia mino sy mitory fa ny Fahasoavan'Andriamanitra ihany no mahavonjy.
Tsy ny asa soa. Tsy ny fahendrena. Tsy ny fihezahana. Tsy ny fahaizana tenin'Andriamanitra. Tsy ny fahazotoana amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra. Tsy ny ...)
A description of your team photo